Tanjombato : Nanala ny mpivarotra teny amoron-dalana ny kaominina
Misy ny lalana eto an-drenivohitra no tsy misy andehanana intsony fa betsaka loatra ny mpivarotra. Misy toerana izay natokana ho an’ny mpivarotra ary ny lalana natokana ho an’ny mpandeha tongotra. Nefa hita fa betsaka ny mpivarotra mameno ny toerana natokana ho an’ny mpandeha , misy ny sasany ary efa eny amin’ny lalana mihitsy no mivarotra. Nisy arak’izany ny fandrasaina andraikitra nataon’ny kaominina amin’ny fanesorana ireny mpivarotra ireny. Lasa manelingelina ny fifamoivoizana ny fisian’izany eran’ny lalana. Tsy ekena ny tsy fanarahan-dalàna. « Haza amin’ny gaboraraka. Mbola ho ela ny famolahana sy fampiharana ny fitsipika fa tohizana sy atao foana, tsisy fahagagana izany fa miankina amin’ny tsirairay sy ny rehetra », hoy i Tovo Rakotojohary, Ben’ny Tanàn’ny Tanjombato.
Miha mahazo vahana ny fivarotana an-dalana. Miha mitombo ny mpivarotra no tsy manaraka intsony ny lamina napetraka ny eo anivon’ny kaominina, misy ny lalana natokana ho an’ny mpandeha ary tokony hajaina izay lamina napetraka izay mba hanana toerana milamina sy mirindra. « Tsy misy intsony lalana andehanana fa feno mpivarotra daholo izay aleha. Mifanosy ao daholo ny sarety, ny fiara, ny mpivarotra, ny mpandeha. Ny lalana efa tery, dia lasa tery foana. Hiteraka loza ho an’ny olona izany raha tsy nisy fandraisana andraikitra toy izao. Tsy natao hoe hanimbana ny fitadiavana ilay izy fa mba misy kosa ny fitandroana ny olona tsirairay mba tsy hisian’ny loza.», hoy i Koloina, mponina ao Tanjombato
Betsaka ny lesoka no tokony harenina eny anivon’ny kaominina, indrindra amin’ny resaka tsena ity. Be loatra ny gaboraraka hita ka lasa mampitombo ny fikorontanana. Tokony mba samy hanaja ny lamina napetraka daholo ny olom-pirenena tsirairay. Etsy andaniny, hanaovana antso avo amin’ny kaominina mba hamindra ny mpivarotra amoron-dalàna. Tsy mety anefa raha hoe afindra fotsiny fa mba misy kosa ny fanamboarana tsena mba ahafahan’izy ireo mitady vola. Tokony hifanampy hatrany ny vahoaka sy ny kaominina mba hisian’ny fampandrosoana.
Erwan RAN
