Allemagne : Tovovavy roa voatsatoka antsy teny an-dalana ho any an-tsekoly
Tovovavy 13 sy 14 taona no nisy nitsatoka antsy tamin’ny 7 ora maraina tao Illerkirchberg, atsimon’i Ulm. Teny an-dalana ho any an-tsekoly izy ireo no niseho ny loza. Olona iray tsy fantam-piaviana no nitsatoka antsy azy ireo im-betsaka nohon’ny antony izay tsy voafaritra.
Ireo vavolombelona no niantso ny manam-pahefana ka vetivety ihany dia tonga teny amin’ny hopitaly izy roa vavy. Feno rà nandraika ny lalàna, voa teo amin’ny kibony ary teo amin’ny tratrany ireo tovovavy raha ny fanazavan’ny mpanatri-maso.
Efa voasambota kosa ny nahavanona ny loza. Lehilahy 27 taona ity farany, voasambotra tao amin’ny foibe fandraisana ireo olona mpitady fialokalofana izy. Tsy nanome ny anton’ny fihetsiny ny tenany.
