Fizahantany: Fotodrafitr’asa maro nahazo alalana hisokatra
Fotodrafitr’asa ara-pizahantany miisa 26 no nahazo alalana hisokatra indray hanatratranana ny tanjona amin’ny 2030, izany hoe ho avo roa heny noho ny amin’izao ny mpizahatany ho tonga eto Madagasikara. Misy lalànany mazava tsara ny fananganana sy ny famohana ny varavaran’ireny toeram-pandraisam-bahiny ireny eto Madagasikara izay entina indrindra hanajana ny fenitra tokony harahina.
“Miisa 26 ireo toeraan vaovao afaka hisokatra indray amin’ny tontolon’ny fandraisam-bahiny. Auberges miisa 2,n hotely 4, hotely – fisakafoanana 8, toeram-pisakafoanana 8 ary Chambres d’Hôte miisa 4. Ireo no nahazo izany alalana izany ny volana aogositra sy octobra 2022 teo”hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany.
“Miisa 8 kosa ireo nahazo ny licence B ary 3 ireo licence C ho an’ireo mpanome tolotra ho an’ny mpizahatany toy ny fanofana fiara sy sambo sy ny sisa. Iray monja kosa no nahazo ny licence B/C nandritra ny fanolorana ny mari-pankasitrahana”, hoy hatrany ny fanazavana.
“Efa manomboka mahasarika ny olona ny manodidina ny fizahantany. Ireo orinasa rehetra ihany koa moa efa miezaka mitady ny mampiavaka sy manatsara hatrany ny tolotra izay nomena mba hanaraka ny toetr’andro. Samy tonga saina daholo izy ireo fa anisan’ny sehatra iray mbola azo ampiasana vola izy io ary mety ho an’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara”, hoy ity mpandraharaha iray amin’ny fampanofana fiara.
Marihina moa fa matoa natao ny fanolorana ireto Licence ireto dia misy izany ny lalàna sy fenitra izay tokony harahin’ny orinasa rehetra izay tokony hanana fahazoan-dalana avokoa ireo mpisehatra. Mampigadra ny miasa tsy manana fahazoan-dalana noho izany.
Miora Raharisolo