Ambohimanambola: Eny amin’ny kianja Volomborona no hanatanterahana ny “pré-séléction communale homme”
Ny sabotsy 10 Desambra ho avy izao no hanatontosana ny andro voalohany amin’ny fifantenana ireo mpilalao baolina, izay handrafitra ny ekipa kaominaly, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ho an’ny taona 2022-2023. Eny amin’ny kianja Volombolorona, fokontany Ambohimahatsinjo no hanatanterahana izany, raha ny voalaza.
«Araka ny efa nolazaina nandritra ny fampahafantarana ity fifantenana ity moa dia ireo mpilalao efa nandray anjara ary manana ny karatra tamin’ny lalao amboaran’ny ben’ny tanàna, teo aloha, no fepetra takiana amin’ireo mpifaninana » hoy ireo tomponandraikitra mikarakara ny hetsika.
«Ny sabotsy 10 desambra no hanatanterahana ny andro voalohany amin’ny fifantenanana ka ireo mpilalao voafantina amin’io andro voalohany io no miverina ny andro faharoa na ny alahady 11 Desambra 2022 » hoy hatrany ireo mpikarakara.
Maro tokoa moa ireo tanora ao anatin’ny kaominina no liana amin’ity hetsika ity. Ny ben’ny tanàna ao an-toerana ihany koa dia anisan’ny manosika sy manohana izany taranaja izany. Teny filamatra voizina mandritra izany hetsika izany moa ny hoe » Tanora tia fanatanjahatena aho, mahay milalao, mizara ny talentako ary manandratra ny tanànako ».
Manitra Ramanantsoa
