ActualitésTatitra

Etats-Unis : Manandrana mamerina ny filaminana ao Moyen Orient

Ho avy any Jérusalem sy Ramallah ny sekreteram-panjakana amerikana, Anthony Blinken androany 25 may mba hifandray amin’i Palestiniana sy ireo mpitarika azy. Dimy andro taorinan’ny fitsaharan’ny ady no handalo ao Israel sy Cisjordanie ity sekreteram-panjakana ity. Mandritra ny fandalovany dia hihaona amin’ny praiminisitra israeliana, Benyamin Nétanyahou sy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Gabi Ashkenazi izy. Amin’ny fitsidihana an’i Ramallah kosa, hihaona amin’ny filoham-pahefana Palestiniana Mahmoud Abbas, avy ao Egypte sy Jordanie izy. Tompon’andraikitra amin’ny fampitsaharana ny fifandrafiana ny Etats-Unis hoy i Antony Blinken tao amin’ny tambazotra serasera “twitter”. Noho izany, hanao ny ezaka izay ataon’ny governemanta hatrany izy mba hampitsaharana tanteraka ny disadisa.

Laisser un commentaire