Sabotsy Namehana: Misy mangalatra ireo jiro natolotra hanazavana ny tanàna
Mirongatra ary mananjaka ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny ala-botry amin’izao fotoana izao, ao Sabotsy Namehana. Araka ny voalaza, nisy nangalatra ny jiro izay natolotry ny kaominina, natao hanazava ny tanàna ao amin’ny fokotany Tsarafara sy ao Amorondria Namehana.
“Mampalahelo ny zava-misy amin’izao fotoana izao satria jiro natao ho an’ny rehetra, indrindra natao hitsilovana ireo mpody amin’ny hariva kanefa misy olon-dratsy mangalatra ihany na efa natao amin’ny toerana avo aza” hoy I Tahiana, mponina ao Sabotsy Namehana.
“Tsy vao izao no nisy trangana fanagalaran-jiro tahaka izao eto amintsika fa na hatrany andrenivohitra toy ny mangalatra ny ireo panneaux solaire amin’ny lalana ireny. Anisan’ny antony mahatonga sy mampiverimberina izany ny fahamaivanan’ny sazy omena ireo olon-dratsy izay tratra ka tsy mahafay azy ireo” hoy I Nathan, mpandinika fiaraha-monina.
Tsy tokony hiandry tomponandraikitra hatrany anefa vao afaka mandray fepetra amin’ny fiarovana fananana iombonana tahaka izao, anisan’ny anjara andraikitra tokony ataon’ny tsirairay ny manao fiaraha-mientana amin’ny fiambenana sy ny fanaraha-maso azy ireny.
Manitra Ramanantsoa
