ActualitésTsidika

Alasora : Hisy ny lanonana hankasitrahana ireo ekipan’ny kaominina

Hotontosaina ny alahady 27 febroary ho avy izao ny fisaorana sy fankasitrahana ireo ekipan’ny kaominina Alasora tafiakatra tamin’ny lalao famaranana « InterCommunale Avaradrano ». Hisy ny lalao baolina kitra sy fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpilalao mandritra izany.

« Hanasana antsika mponina rehetra eto Alasora izany hetsika ho fisaorana ireto solontenantsika amin’ny baolina kitra ireto. Nitondra ny anaran’ny kaominina izy ireo, ary niaro ny voninahitry ny kaominina ka tafiakatra tamin’ny lalao famaranana. Mendrika saotra ny zava-bitany » hoy ny ben’ny tanàna, Randriantsoa Jimmy. « Ny mpiasan’ny kaominina sy Ambohitrazaka no hihaona amin’io lalao io. Misy lalao hafa iray avy amin’ny kaominina ihany koa. Eny amin’ny kianja Ambohitrazaka no hanatanterahana izany amin’ny 2 ora tolakandro » hoy ny avy ao amin’ny Commission Sport ao amin’ny kaominina Alasora. Marihina fa Ambohimangakely sy Alasora no tafiakatra tamin’ity lalao nihaonan’ny kaominina rehetra teto Avaradrano ity. Nibata ny amboara ny kaominina Ambohimangakely.

Efa ezaka goavana no vitan’ireo ekipan’i Alasora. Rariny tokoa raha mendrika fisaorana ireo mpilalao. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire