ActualitésTatitra

La Réunion : Namoaka drafitr’asa nasionaly vaovao hiarovana ny « papangue » ny SEOR

Namoaka drafitr’asa nasionaly vaovao (PNA : Plan national d’actions) hiarovana ny « papangue » na «Busard de Maillard » ny SEOR (Société d’Études Ornithologiques de La Réunion) ny herinandro lasa teo. Novolavolaina niaraka tamin’ireo mpisehatra rehetra voakasik’io toe-javatra io izany drafitra izany.

Mandray anjara amin’ny tanjona nasionaly hampitsaharana ny fandringanana ny zava-manan’aina io drafitr’asa io, amin’ny alalan’ny famaritana ny hetsika ilaina amin’ny fiarovana ireo karazam-biby sy zava-maniry arova sy tandindon-doza. Manodidina ny 20 eo ho eo manoloana izany ny hetsika fikarohana, fitehirizana ary fanentanana atolotra ireo mpiara-miombon’antoka miisa 50 mba hiarovana ny «Busard de Maillard ».

Laisser un commentaire