Foto-drafitr’asa: Mitohy ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’ny Antsiranana sy Ambanja.
Mandroso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahaenina izay mampitohy an’ny Antsiranana sy Ambanja. Mirefy 234km ity lalana ity ary ny volana sptambar 2021 teo no nanombohana izanya sa izany. Ireo lalam-pirenena rehetra mihitsy no mila havaozina satria maintoka betsaka ny famokarana izy ireny. Misy ihany koa anefa ireo lalana vaovao mila vao haorina mihitsy satria ilain’ny mponina. Tokony hidina ifotony mihitsy ny tompon’andraikitra mijery ny tena zava-misy marina ka manao ny asa mifanaraka amin’izany fa tsy izay hita matetika ihany no mila hamboarina.
