Vontovorona : Fifandonana eo amin’ny mpianatra sy ireo mpitandro filaminana
Mitaky vahaolana maharitra ireo mpianatra momban’ny:
-Foto-drafitrasa sy ny kalitaon’ny fampianarana eny anivon’ny sekoly, izay tena mila fanatsarana tanteraka,
-Ny fahanteran’ireo foto-drafitrasa anivon’ny « Campus » izay mety hitarika loza sy fahamaizana isan-karazany,
-Ireo toeram-pidiovana iafian’izy ireo: « Douche + wc » izay efa tena tsy mendrika ho ampiasaina intsony ny ankamaroany
-Ny tsy fisian’ny connexion internet mifanaraka amin’ny fianarana sy fikarohana atao.
-Ary indrindra ny vatsim-pianarana izay tsy navoaka tamin’ny fotoana efa nampanantenaina anay (24 Aprily 2024).
