CultureTatitra

France : Vorona efa nahiana ho lany tamingana, hita tao amin’ny faritr’i Gironde

Nahitana ny karazam-borona « courlis cendré », izay vorona noheverina fa efa lany tamingana, tao amin’ny sisan’ala ao Landes de Gascogne, izay lasibatry ny doro tanety goavana ny taona 2022. Any Gironde, France no misy izany toerana izany. Efa an-jato taonany no tsy nahitana ity karazam-borona ity intsony, raha ny nambaran’ireo mpikaroka momba ny vorona sy ny tomponandraikitra ao amin’ity valan-java-boahary ity. Ny taona 2023, mbola tazana mamaritra ity valan-javaboahary ity ny fahamaizana niseho, izay nahahenika ny 20.000 hektara ny velarana may. Ireo mpikaroka momba ny vorona tao an-toerana no nahatsikaritra ny fisian’ireo vorona tamin’ity karazany ity, miisa telo. Heverina fa mitady toerana honenana izy ireto araka izany.

Laisser un commentaire