ActualitésTatitra

Russie : Daniil Medvedev, mpilalao Tennis mantihanina

Teraka 11 febroary 1996 tao Moscou i Daniil Medvedev. Mpilalao Teninis avy ao Russie izy izay niditra teo amin’ny sehatry ny mantihanina nanomboka ny taona 2014.

I Daniil Medvedev no mpilalaon’ny « ère Open » naharesy ny laharana voalohany iraisam-pirenena teo amin’ny taranja Tennis. Raha tsiahivina dia ny 1 febroary 2022 teo izy no nahazo izany anaram-boninahitra izany rehefa naharesy an’i Novak Djokovic. Mametraka azy eo amin’ny toeran’ny mpilalao avy ao Russie fahatelo tafiditra amin’ireo lohandohan’ny filaharana ATP izany.

Izy ihany koa no namarana ny fanjakana tokan’ny Big Four nandritra ny 18 taona tamin’io toeran’ny laharana voalohany io.

Laisser un commentaire