Chine : Mafy ny finamanana misy amin’i Russie
Nilaza ny minisitry ny raharaham-bahinin’i Chine, Wang Yi fa mafy ny finamanan’i Pékin sy Moscou. Na dia nanameloka an’i Russie aza ny ankamaroan’ny firenena dia mbola mitohy ny fiaraha-miasany amin’i Chine hoy ny minisitra. Nanamafy izy fa handray anjara amin’ny fanelanelanana iraisam-pirenena i Chine raha toa ka ilaina izany amin’ny famahana ny olona misy eo amin’i Ukraine sy i Russie.
