Europe : Efa midinika ny fampidirana an’i Ukraine ao amin’ny Union Européenne ny tompon’andraikitra
Noho ny fanafihan’i Russie an’Ukraine dia nangataka ny hiditra tao amin’ny Union Européenne niaraka tamin’i Géorgie sy Moldavie izy. Marihina fa 27 ny firenena mpikambana ao amin’ny Union Européenne amin’izao fotoana. Nanomboka ny alatsinainy teo ireo tompon’andraikitra no nidinika ny fangatahana.Ireo firenena mpikambana kosa no hifidy izany. Taoriana kelin’ny fanafihan’i Russie no nanao fangatahana ireo firenena ireo mba hiarovany tena manoloana ity firenena ity. Ny 28 febroary i Ukraine no nanao izany, ary narahin’ireo firenena roa ireo ny 3 martsa.
