Etats-Unis : Vehivavy « influenceuse » iray no namono ny rainy sy ny rahavaviny
Vehivavy « transgenre » malaza ao amin’ny tambajotra sosialy na irony « influenceuse » irony i Nikki Secondino, 22 taona. Ny alin’ny 28 desambra dia nilaza io vehivavy io fa nisy mpanafika roa niditra tao an-tranon’izy ireo ary namono ny dadany sy ny rahavaviny. Voavely tamin’ny maritoa ny rain’izy roa vavy ireo nandritra izany ka namoy ny ainy, voatsatok’antsy kosa ilay zandrin’i Nikki Secondino, saingy tafavoaka velona.
Rehefa nahatsiaro tena i Liana, 19 taona izay zandrin’i Nikki Secondino taorian’ny fitsaboana azy dia nanameloka ny zokiny. Tsy marina izany, hoy izy, fa nisy mpanafika niditra tao an-tranon’izy ireo fa io zokiny io no namono azy mianaka. Rehefa nosamborina vonjimaika i Nikki Secondino manoloana izany dia niaiky fa namono azy mianaka ireo noho ny disadisa mahakasika solosaina iray.
Manoloana ny tranga dia notsaraina ny alatsinainy teo i Nikki Secondino. Tanana amin’ny fonja ao Rikers Island izy ary tsy mahazo fahafahana vonjimaika. Ny 5 aprily izao kosa ny fiatrehany manaraka ny fitsarana.
