Ankadikely Ilafy: Fokontany miisa enina no hisitraka ny tetik’asa Lalankely III
Nisy ny atrikasa niarahan’ny kaominina sy ny “Groupement GRET” ary ny “Enda Madagasikara”, ny alarobia teo. Tapaka nandritra izany fa hisy ny fanatanterahana tetikasa, izay miisa folo, manerana ny fokontany enina, araka ny voalaza.
“Tetikasa maherin’ny 10 no hotanterahina amin’izany manerana ireo Fokotany miisa enina ary efa hisy sahady ny fidinana ifotony afaka fotoana fohy izay hotanterahin’ny tomponandraikitra ara-teknika hanao ny fitsirihana amin’ireo toerana hananganana ny fotodrafitrasa” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Marihina fa fokontany miisa 3 no efa nisitraka ity tetikasa ity teto amin’ny kaominina izay nahitana ny Fokontany Manjaka, Ambohibe ary Antsampandrano. Ny Fokontany Mandrosoa, Ambohipanja, Andrononobe, Antanandrano, Andafiavaratra ary Ambohitrarahaba kosa no hisitraka izany amin’ity andiany manaraka ity » hoy hatrany ny fanazavana.
Raha tsiahivina dia tetikasan’ny fitondrampajankana ny tetik’asa Lalankely, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany (MATSF) ary vatsian’ny AFD sy ny UE ara-bola. Ireto farany araka izany no miara-miombon’antoka amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ho fampisitrahana ny tetikasa ho an’ny mponina.
