Miadana : Nahazo jiro indray ny Fokontany Miadana
Mitohy hatrany ny fametrahana hazavana ao anatin’ny kaominina Alasora amin’izao fotoana izao, ka nahazo ny anjarany indray ny Fokontany Miadana. Marihina fa mbola hiparitaka any amin’ny Fokontany hafa izao fanazavana ny tanàna izao ka ho avy tsy ho ela ny an’ny Fokontany Ambohitanety, Ambohitromby, Ampahibato, Miadana.
« Efa vory ny fitaovana rehetra fa miandry ny avy aoa amin’ny Jirama sisa isika dia ho feno hazavana amin’izay i Alasora » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. « Tena mitsinjo ny vahoaka mihitsy ny toy izao satria iaraha-misitraka ny fotodrafitr’asa ary tena ho an’ny vahoaka eny ifotony aza, tsara ny miasa hatrany ho an’ny vahoaka na dia tsy lany fitarainana aza ireto farany » hoy i Njaka, raim-pianakaviana monina eny amin’ny tanàna ivelan’Alasora fa kosa nahita ny fotodrafitr’asa. « Tena ilaina aloha ilay mazava satria rehefa manjaka ny maizina dia manjaka ihany koa ny ratsy, saingy na izany aza aoka samy ho malina isika mba tsy hody alina loatra fa ny tsy fandriam-pahalemana izao efa manjaka » hoy i Heriniaina, mponina ao Miadana.
Fitsinjovana akaiky ny vahoaka tokoa ny fametrahana hazavana ho an’ny tanàna toy izao, saingy tena hanafoana ny asa fanendahana ve ? Hampihena ny tsy fandriam-pahalemana izay manjaka any an-toerana ve ?
Nicole Rafalimananjara
