Alasora : Tapaka ny lalana eny Ambohimanandraisoa mandritra ny fanamboarana
Mitohy hatramin’izao ny fanamboaran-dalana eo Ambohimanandraisoa Alasora, ary tena hitondra fanovana ny fahavitan’io lalana io. Mandritra izany anefa dia hisy ny fanadaminana apetraky ny kaominina, izay mety ho tonga hatramin’ny fahatapahan’ny lalana, hatramin’ny fahavitany ho rarivato.
« Mihafy kely fotsiny isika mpampiasa lalana mandrapahavitanny satria dia ho tapaka tanteraka mihitsy aloha izy io izay hitarika fanelingelenana ho an’ny hafa izany » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanàna. « Miaritra kely andro vitsivitsy dia hisitraka tombontsoa an-taonany maro rehefa manamboatra lalana tahaka izao » hoy i Eric, manam-pahaizana manokana mikasika ny asa vaventy. « Tena efa hiditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika izao ka tena ilaina mihitsy ny fanamboaran-dalana satria tena mampijaly io raha tsy vita eo, ka aoka samy hitony hanaraka ny fandaminana isika rehetra » hoy i Yollande, mponina eny Alasora.
Efa ho avy tokoa ny vanim-potoanan’ny ora-mikija amin’izao fotoana izao ary fotoana tokony hanararaotana hanamafisana ny fotodrafitr’asa maro izao mba hisorohana ny loza. Samy tompon’andraikitra anefa ny rehetra ny amin’izany fa tsy hiandry ny fitondrana foana akory.
Nicole Rafalimananjara
