ActualitésTsidika

Fikambanana BTC – Fédération Malagasy d’Aviron : Nanatanteraka fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa

Nanatanteraka fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ny avy eo anivon’ny Fikambanana BTC sy ny Fedération Malagasy d’Aviron ny zoma 16 désambra 2022 teo. Teo anatrehan’ny Sekretera Jeneralin’ny Federation d’Aviron sy ireo mpikambana maro ao amin’ny BTC no nanatanterahana izany. Izao moa no natao mba ahafahan’ny roa tonta mifanampy sy mifanohana hatrany ary miara-miasa hanatanterahana ny vina iraisana.

« Ity fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ity dia marika iray fa hisy ny pejy vaovao izay hosokafantsika ahafahana mampiroborobo ny aviron eto Madagasikara. Fifandraisana maharitra no hatao vina, ka anisan’ny asa ho atao ao anatin’izany ny fanamboarana « bateaux d’aviron » maro sy hampiroboroboana io sehatra io eto Madagasikara », hoy i Hasina Andriantseheno, Filohan’ny fikambanana BTC, tamin’ny laha-teniny.

« Maro ny fianarana azo amin’ny fanaovana ny aviron, fa ny tena goavana dia ny ny asam-bondrona. Tsy maintsy miara-miasa ireo mpamily vao mandroso ny aviron iray. Izany indrindra no fenitra nitondrana ity fifanaraham-piaraha-miasa ity, izany dia mba ahafahana mandroso miaraka ary indrindra mampandroso ny « jeux d’aviron », izay taranja olimpika mihitsy », hoy i Mohamad Mouhidine, filohan’ny Federation Malagasy d’Aviron.

Taranja ara-panatanjahan-tena olimpika ny aviron, afaka manao izany avokoa ny olona rehetra, ka izany indrindra no hilàna ny fampiroboroboana azy amin’ny alalan’ny fampahafantarana azy amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Ilaina indrindra noho izany izao fiaraha-miasa izao, ahafahana manaparitaka ihany koa ity sehatra iray ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire