France : Nisy nikasa nanomo ny mpanao gazety Bernard-Henri Lévy
Arakin’ny « services de contre-espionnage occidentaux » dia mikasa hamono olona maro ao Paris, Londres ary New-York i Iran. Nisy fanambarana navoakan’ny Washington Post ny herinandro lasa teo fa nisy mpanondrana zava-mahadomelina voahiraka hanomo ny mpanao gazety Bernard-Henri Lévy ary nohamarinin’izy ireo tamin’ny antontan-taratasy avy amin’ny tompon’andraikitrin’ny governemanta sy ny « responsables des services de renseignements » izany fanambarana izany.
Raha tsiahivina dia tsy nitsitsitsitsy ny governemantan’ny « mollahs » ao Iran i Bernard-Henri Lévy na BHL. Nanakiana ny politika famoretanan’ny firenena sy ny « extrémisme religieux »-n’i Iran im-betsaka izy ka heverina fa ny tafika Al-Qods no nampaniraka olona hamono azy.
