Ambohimangakely : Hisy ny fampianarana Informatique maimaim-poana atolotry ny kaominina
Hanolotra fampianarana mahakasika ny tontolon’ny informatique maimaim-poana ho an’ny tanora ao an-toerana sy ny manodidina ny kaominina Ambohimangakely. Natao indrindra hanomeza-tanana ireo tanora mba hahomby eo amin’ny fianarana informatique no tanjona amin’izany araka ny voalaza, izay mpampianatra efa mananatra traik’efa no hanome ny fampianarana.
“Anisan’ny sehatra mivelatra tokoa ny tontolon’ny inforamatique amin’izao fotoana izao ka rariny raha omena sehatra ny tanora amin’ny fianarana izany. Ao anatin’izany fampianarana izany moa dia hisy ny fianarana momba ny informatique bureautique, ny internet ary ny dactylographie izay tena ilain’ny tanora amin’izao” hoy ireo tomponan’andraikitra ao amin’ny kaominina.
“Mahaliana tanora maro tokoa ity taranja informatique ity. Hisaorana ny kaominina indrindra ny fikarakarana izany satria anisan’ny manampy betsaka ireo tanora eto an-toerana amin’ny fampitomboana fahaiza-manao sy traik’efa izany” hoy I Haja, mpianatra amin’ny lycée.
Marihina moa fa omaly alahady no nisian’ny fisoratana anarana ho amin’ny fampianarana ity tao amin’ny biraon’ny kaominina ankadikely. Ho avy ary hanomboka tsy ho ela ny fampianarana aorian’izany.
Manitra Ramanantsoa
