Ankadindratombo : Nodiovina ny toeram-pamonoana sy fivarotana hen’omby
Nisy ny fanadiovana faobe ny toerana famonoana omby sy fivarotana hen’omby tao Ankadindratombo omaly. Ireo mpiantsehatra sy mpivarotra ao no nanatanteraka izany.
« Nodiovina avokoa ny anatiny sy ny ivelan’ny abattoir Ankadindratombo. Miantoka indrindra ny fahasalamanay mpivarotra ary indrindra ireo mpanjifa mantsy izany » hoy ny mpivarotra iray. « Efa fanao isan-taona ny fanadiovana tahaka izao. Miantoka ny fiidirambolan’olona maro mantsy ity toerana ity. Rariny raha diovina sy kojakojaina tsara » hoy ny Tompon’andraikitra ao amin’ity toerana ity.
Tokantrano maro tokoa no mivelona amin’ny fivarotana hen’omby. Manana anjara toerana lehibe amin’ny lafin’ny toekarenan’i Madagasikara noho izany ity toerana ity.
Diamondra Randriantsiferana
