ActualitésTatitra

Israël : Tovolahy iray voaheloka higadra 23 taona nohon’ny famonoana « pédophile »

Tovolahy iray monina ao Netanya no nohelohin’ny tribonalin’i Lod higadra 23 taona ny herinandro lasa teo, nohon’ny famonoana an’i Haïm Wizman. Raha tsiahivina dia lehilahy nohelohina nohon’ny « pédophilie » i Haïm Wizman tamin’ny taona 2009.

Nofandrian’ilay tovolahy avy ao Netanya tamin’ny tambajotra Instagram io lehilahy io ny taona 2021 teo. Tonga tao an-tranon’i Haïm Wizman izy ny volana aogositra 2021 rehefa nifanaraka tao amin’ny tambajotra Instagram izy roa fa hiray ara-nofo. Rehefa avy nanala akanjo i Haïm Wizman dia nasain’ilay tovolahy nidaboka niankohana ary notsatohany ny antsy in-30. Nandro izy ary nivoaka toy ny tsy nisy na inona na inona taorian’izany. Tamin’ny alalan’ny findain’i Haïm Wizman kosa no nahafahana nisamboatra azy.

Marihana fa 16 taona monja io tovolahy io tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga. Efa voahomany mialoha io famonana an’i Haïm Wizman io raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire