France : Lehilahy iray no voaheloka higadra enim-bolana noho ny firaisana ara-nofo tamin’ny tovovavy 15 taona
Lehilahy 40 taona iray no notsaraina tao Nantes noho ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona. Niray ara-nofo tamin’ny tovovavy 15 taona im-betsaka tao amin’ny trano fidiovana ho an’ny daholobe tao amin’ny katedralin’i Bourges, Cher izy ary nandainga taminy fa vao 26 taona.
Tratra tao amin’ny findain’io lehilahy io kosa ny resaka nifanaovany tamin’ilay tovovavy ary tratra tao amin’izany fa nisarika an’ity farany hanao firaisana « sado-masochistes » izy. Nilaza ihany koa io lehilahy io maniry ny hanao fifanarahana (contrat d’appartenance) miaraka amin’ilay tovovavy izy ary hampianatra azy ho « soumise ».
Tao amin’ny tranonkalam-pifandraisana kosa no nifankalalan’ilay tovovavy sy io lehilahy io. Ny tenany moa dia miasa mamarotra ny tsirin’ainy ho an’ireo mpivady mitovy fananahana maniry ny ny hiteraka saingy tsy afaka. Voaheloka higadra enim-bolana kosa io lehilahy 40 taona io izay marihina fa efa manam-bady.
