Asam-panjakana: Voatendry ho « consul général an’ny Madagasikara any La Réunion i Tinôka Roberto Raharoarilala
Dépêche 20 avril, 11h, Voatendry ho “Consul Général an’ny Madagsiakara” atsy amin’ny Nosy La Réunion I Tinôka Roberto Raharoarilala. Ity farany moa izay efa Minisitry ny fanatanjahantena teo aloha. Adidy masina no hiandraiketan’izany Consul Général izany ka tokony hisy ny fitiliana maharitra ireo olona tokony handray izany asa izany. Ilaina fahaizana sy fahafehezana zavatra maro io asa io mba ho tombontsoan’ny rehetra. Mifanindra-dalana amin’izany ny diplaoma takiana amin’ny asa. Efa azo ato ny mahafehy izany amin’ny fomba maro samihafa ary betsaka no afaka mandray izany eto amin’ny firenena. Etsy andaniny anefa dia mirary ny tsara ho an’ity olom-boatendry vaovao ity hahita ny tsara ihany koa ho an’ny Madagasikara.
