Dépêches

Antananarivo: Hamafisina ny famerana ny fivezivezen’ny fiara lehibe ho amin’ny andro alina irery ihany.

Dépêche 20 avril, 12h, Manamafy ny tokony hanarahan’ny fiara vaventy ny lamina mipetraka ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Ampatsihivina fa ireo fiara vaventy izay maherin’ny 16taonina dia tokony tsy hivezivezy raha amin’ny 9ora alina hatramin’ny 5ora marain. Izany no natao mba hampirindra ny fifamoivoizana sy ny fivezivezena. Miverina misy mandika ireo lalàna napetraka ka tsy maintsy handraisana fepetra ho an’ireo izay minia mbola manohy. Mety ho tonga amin’ny fitazomana am-balam-pamonjana sy fitazomana ny taratasy rehetra ny fandikana izany lamina izany. Ireo fiara lehibe mpitondra solika sy fiaran’ny orinasa Jirama kosa dia tsy voasokajy ao anatin’iany.

Laisser un commentaire