ActualitésTsidika

Lalaon’ny Nosy : Efa misokatra ho an’ireo mpandray anjara voafidy ny toeram-piazakazahana ao amin’ny Kianja Barea

Efa tena anatin’ny fanomanan-tena tanteraka ny mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Efa manao ny ezaka rehetra hanampiana ireo mpandray anjara ny tompon’andraikitra amin’izany. Araka izany dia misokatra ho an’ireo atleta voafidy ny « piste » fiazakazahana ahafahan’izy ireo manoman-tena amin’izany. Voatokana ho an’ireo voasafidy ireo ihany anefa ny toerana araka ny fanambarana.

« Efa misy ny lisitra navoaka ho an’ireo atleta hiatrikan ny lalaon’ny Nosy ireo ka natokana ho azy ireo irery ihany ny fahafahana miditra ao. Tsy maintsy mitondra “badge” izy ireo ahafahana mamantatra azy ary “badge” avy aty amin’ny Federasiona irery ihany izany afaka hampiasaina izany. Natao izao ahafahan’ireo atleta ireo miomana sahady amin’ny zavatra miandry azy ireo amin’ny jour-J izany ho any tartan izany », hoy ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasin’ny Atletisma.

Raha tsiahivina dia ny volana febroary teo no nanomezan’ny Filoham-pirenena alalana ny Federasiona Atletisma sy ny Federasiona Basket ity kianja ity ahafahana manomna-tena amin’ireo lalao iraisam-pirenena rehetra. « Tokony hahay hanararaotra izany ireto ankizy ireto satria io no efa manaraka ny “norme” ka tsara raha mahafantatra dieny mialoha ny lalany ireo mpandray anjara ireo raha te hahazo vokatra tsara », hoy ny Tale Teknika Nasionalin’ny fanatanjahantena (DTN).

Manodidina ny 100 eo ho eo ireo atleta hindrana io kianja io hanomanan-tena. Isan’andro manomboka amin’ny 7ora hatramin’ny 11ora no hikotranana mafy ao an-toerana. Na dia efa misy fahatarana azan y fampivondronana dia azo lazaina efa samy vonona avokoa ny tsirairay amin’ny asa mafy be miandry azy ireo izay tsy maintsy hiaro ny voninahi-pirenena izay mandray indray ny lalaon’ny Nosy amin’ity taona ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire