Talata Volonondry : Tafapetraka ireo quartier mobile isam-pokontany
Tonga tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ireo tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana Gideons, ny alatsinainy teo. Nandritra izany ihany koa no nandraikitra ireo quartier mobile isam-pokontany, raha ny voalaza.
« Anisan’ny efa mahazatra ny eto amin’ny kaominina rehefa fanombohan’ny herinandro tahaka izao ny mitondra am-bavaka ny asa. Maro ireo ray aman-dreny am-panahy avy eto an-toerana no mandray anjara amin’ny fotoana » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina
“Ankoatra izay, niavaka ny andron’ny anio satria tonga teto ireo avy amin’ny fikambanana Gideons ary nanolotra filazantsara ho an’ny mpiasa rehetra eto amin’ny kaominina. Tontosa nandritra ny fotoana ihany koa ny fandraisana ireo quartier mobil isaky ny fokontany” hoy hatrany ny fanazavana.
Natao indrindra hanomezana lanja ny asa sahanin’ireo quartier mobile isam-pokontany moa izany fandraisana azy ireo izany ary indrindra natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokontany sy ny kaominina, araka ny voalaza hatrany.
Manitra R.
