Ankadikely Ilafy: Mitohy ny fanarenana sy fanaraha-maso ireo lalana rari-vato
Mitohy ny fanarenana sy ny fanamboarana ireo lalana rari-vato ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny kaominina hatrany, ireo lalana nahitana fahasimbana, ka mety hiteraka fahavoazana ho an’ireo mpampiasa azy no asiam-panamboarana avy hatrany.
“Mbola maro lalana vita amin’ny rari-vato, eny anivon’ireo fokontany maro tokony asiana fanaraha-maso sy fanarenana, ao anatin’ny kaominina hatrany. Hatao izany mba tsy fampihitatra ny fahavoazana, indrindra fa raha vao tratran’ny orana ireo lalana ireo, hanano sarotra ny fifezivezena” hoy I Vololona, mponina ao Ambohipanja.
“Anisan’ny olana miseho rehefa tsy voakoja ny lalana vita amin’ny rari-vato ny fikorotanan’ireo rari-vato sy ny fihongotan’ireo vato amin’ny sisin-dalana. Maro ireo lalana vita amin’ny rari-vato no ahitana izany fahasimbana izany rehefa mandeha ny fotoana ka tsy ny voahaja ny fenitra amin’ny tokony hampiasana ny lalana” hoy I Tahina, mpianatra momba ny foto-drafitr’asa iombonana.
Ilaina ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny tokony hanajana ny fananana iombonana. Anisan’ny olana miseho, mahatonga ny fahasimban’ny fananana iombonana matetika ny tsy fahampian’ny fanentanana, indindra ny fametrahana lalàna sy fitsipika mahomby hikojana azy ireny.
Manitra Ramanantsoa
