France : Tsy afaka manohy Star Academy i Anisha
Tovovavy malagasy namiratra tamin’ilay fifaninana Star Academy i Anisha, 22 taona. Voatery nesorina tsy hanohy ny fifaninanana Star Academy intsony nefa izy ary tsy afaka ho mpitsara amin’ilay fifaninanana kosa i Adeline.
Raha ny fantatra dia misy fifandraisana eo amin’i Anisha sy io mpitsara ny lalao io. Voalaza fa mpianatr’ity mpitsara ihany i Anisha. Marihana fa tranga tsy azo ekena ao amin’ny fifaninana izany. Anisan’ny nisongadina tokoa ny talenta sy ny fahaiza-mihira an’i Anisha nandritra ny fifaninana. Maro ireo mihevitra fa fanosoram-potaka azy io fahitana tsiambaratelo momba azy izao.
