Toe-karena : Hampitomboana ireo loharanon-karena eny amin’ny vondrom-paritra ifotony
Anjara asan’ny Ministera tsirairay no mampiakatra ny fari-piainan’ny mponina tsirairay amin’ny sehatra hivelomany. Maro ny toerana mivelona amin’ny jono eto Madagasikara, ao ireo jono andranomasina, ao ihany koa ireo jono andranomamy.
Nampiana araka izany ireo mponina manodidina ny farihin’i Mantasoa, indrindra ireo misehatra amin’ny jono andranomamay ao amin’ny farihy. Nandrotsahana renitrondro tilapia sy karpa tao amin’ny farihin’i Mantasoa. Ny avy ao amin’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Economie Bleue no nanatontosa izany mba hahafahana manampy ireo olona eny ifotony noho ny hamafisan’ny fiainana.
« Maro ny tsindry mihantra amin’ity farihy ity, vokatr’izany dia mihena ny vokatra amin’izao fotoana izao. Natao ity fandrotsahana renitrondro ity mba hanomezana aina vao ny loharanon-karena aty amin’ny faritra sy mba hampitomboana ny vokatra ny jono eto an-toerana. Ity toerana ity izay mamatsy trondro faritra maro manodidina hatrany Anatananarivo », hoy ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga eto Analamanga.
« Mila hamafisina ny fiarovana ireny trondro ireny. Mila ampiana ihany koa ireo mpisehatra satria na ny fitaovana hampiasain’izy ireo aza dia marefo ka mety tsy hahazo betsaka akory dia miafiafy izy ireo. Mety hoe ampiana ny trondro dia mba atao mifanaraka amin’izay ihany koa ny fitaovana », hoy i Tolotra, mponina sady mpanjono ao Mantasoa.
Ezahina ny mba hanampiana ireo olona eny ifotony amin’ny fitadiavana sy ny sehatra iseharan’ny tsirairay. Efa mitondra ny anjara birikiny ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fabnampiana amin’ny sehatra maro. Manana adidy ihany koa nefa ny tsirairay hampivoatra ny tenany sy ny fiananakaviany fa tsy hiandry ny fitondrana foana vao afaka ny handroso.
Miora Raharisolo
