ActualitésTsidika

AFT Andavamamba : Manome lanja ny teatra Malagasy

Iray amin’ireo fomba hahafahana manabe sy mampianatra ny teatra, mbola manjaka sy be mankafy izany ankehitriny. Ny fanomezan-danja izany tokoa no antony iray hikarakaran’ny AFT Andavamamba ireny karazana seho ireny. Indroa miantaona izany ho amin’ny 25 septambra izao, hisy ny teatra nampitondraina ny loahteny hoe « ilay fitia tsy mipaka » holalaovin’ireo avy ao amin’ny fikambanan’ny Teatra Malagasy; sy ilay nampitondraina ny lohateny hoe « toheriko ny herisetra » holalaovin’ireo avy ao amin’ny Sakaizan’ny Teatra Malagasy Lycée Jean Joseph Rabearivelo.

« Fomba iray hamerenana ny fankafizan’ny olona ny teatra ny fikarakarana hetsika isan-karazany satria nanjavona tampoka izany ary maro ireo olona no tsy mahalala fa mbola misy mpilalao teatra eto Madagasikara. Fitaovana iray hahafahana manabe sy mampianatra ihany koa anefa izy io » hoy i Mbato Ravaloson, mpanorina ny FMTM sady mpikarakara ity hetsika ity. « Mijery teatra izany fialamboly mihitsy taloha, ny zanako anefa tsy mahay izany variana amin’ity facebook ity foana, tiako izy ireo raha mba mijery teatra indray mandeha eo amin’ny fiainany fotsiny fa mahasoa sady mitondra lesona ho an’ny fiainana izy io » hoy i Lanto, mpankafy teatra sady renim-pianakaviana.

Miha-vitsy ny mpankafy teatra, noho ny tsy fanjarian’ny kalitao, na eo amin’ny fitaovana izany na eo amin’ny lafiny asa soratra. Mila havaozina sy harenina izany raha te hahazo mpanjifa maro ny mpikarakara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire