SportTsidika

Fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja volley-ball

Hotontosaina ny 18 septambra hatramin’ny 26 septambra ho avy izao ny fifaninana hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara aminin’ny taranja volley-ball sokajy senior, sokajy lahy sy vavy. Ny kianja eto Analamanga no handray izany ka anisan’izany ny kianja mitafo ao Ankorondrano.

Toy izao manaraka izao ny fandaharam-potoana amin’izany: sabotsy 18 septambra dia hisy ny fivoriana atao eo miaraka amin’ireo ekipa handray anjara hanamarinana ireo antontan-taratasin’ny tsirairay, mandritra izany ihany koa no hahafantarana ireo ekipa mpandray anjara. Ny 19 septambra hatramin’ny 22 septambra no hamomboka ny lalao fanitsanana izay hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Akany Sambatra Itaosy, eny ihany koa no hanatontosana ny fanaranana ny 24 septambra ho avy izao.

Mifanaraka amin’izany taranja izany ihany dia tontosa ny 4 hatramin’ny 11 septambra lasa teo, tao amin’ny kianja Fihaonana ACMIL Antsirabe ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara diviziona faharoa. Nivoaka mpandresy nandritra izany ny ekipa Squad teo amin’ny sokajy vehivavy ary ny ekipan’ny ASI teo amin’ny sokajy lehilahy.

« Efa vonona izahay hiatrika ny lalao, efa azo lazaina fa ampy tsara ny fotoana nanaovana ny fanazaran-tena niaraka tamin’ny ekipa. Efa ela no niandrasana ny fiverenana an-kianja indray, tanteraka izany ankehitriny koa dia mirary so any mpandray anjara rehetra » hoy i Malala, mpilalao.

« Mampalahelo ny toe-tsaina misy eto amin-tsika, volana maro lasa izay no nangataka hampiasa ny kianja saingy tsy nahazo alalana avy amin’ny tompon’andraikitra, nefa ankehitriny maheno izahay fa hotanterahina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izay atao ao amin’ny kianja nagatahinay tamin’izany fotoana. Ny ankizy madinika ve izany tsy mahazo mapiasa ny kianja » hoy i Samuel, mpanazatra volley-ball eto Analamanga.

« Hohajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana mandritra ny lalao, tsy mihoatra ny 200 ny isan’ny olona afaka mijery ny lalao. Mila manao fizaham-pahasalamana 3 andro mialoha ireo mpilalao rehetra » hoy ny eo amin’ny federasion’ny volley-ball. « Maro ireo tanora Malagasy izay milomano tanteraka amin’ny fanatanjaha-tena ankehitriny, maro ihany koa ny ekipa misy vokattr’izany. Mila fanampiana avy amin’ny Minisitera misahana izany izy ireo, tsara raha hampiana ny kianja ary hatsaraina ireo fotodrafitr’asa manodidina izany. Tokony atao laharam-pahamehana ny fampiofanana ireo mpanazatra hahazohana vokatra tsara » hoy i Tsangy, mpanao gazety ara-panatanjahatena.

Tsikaritra amin’izao fotoana izao fa ireo ekipa nivoaka mpandresy nandritra ny lalao lehibe no tena mahazo fanohanana avy amin’ny fanjakana, raha tsy hilaza hafa tsy ny Barea, Makis isika. Toarian’ny fandresena azon’izy ireo no nananganan’ny fitondram-panjakana kianja ho azy ireo. Nisy mihitsy aza ny kianja izay novaina tamin’ny anaran’izy ireo, izany hoe nampitondraina ny anaran’ny ekipa mpandresy ny kianja. Raha ny zava-misy no zohina dia ireo ekipa nitondra avo ny voninahim-pirenena ihany no ampian’ny fanjakana. Mila mivoaka mpandresy ve izany ny ekipa iray vao mahazo fanohanana avy amin’ny fanjakana Malagasy ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire