ActualitésTsidika

45 000 Ariary ny vidin’ny lavanila maitso any Ambanja

Niteraka olana teto amin’ny sehatra lavanila ny vidiny izay nampimenomeno ny maro. 45 000 Ariary ny vidin’ny lavanila maitso iray kilao any Ambanja amin’izao raha 75 000 Ariary no nolazaina teo aloha. 20 andro izay no lasa taorian’ny nanombohan’ny fanokafana ny taom-piotazana ho an’ny faritra Sofia sy Diana. Vitsy ny mpividy hoy ireo mpamokatra ay nanamafy izany ihany koa ireo mpanangom-bokatra amin’n lavanila maintso any Ambanja. Manodidina io 45000 Ar io ny vidiny eny im-potony hakan’ireo mpiantoka ka 50 000 Ariary ny handefasan’ny mpiantoka azy aty aty an-drenivohitra. Misy aza anefa 35 000 Ariary raha any amin’ny toerana alavitra loatra. Tamin’ny daty nanombohan’ny fiotazana anefa dia voahaja ihany ilay 75 000 Ariary eny im-potony izay vidiny namabaran’ny Minisiteran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana sy ny filan-kevitera nasionaly ny vanilla. Tsy tafavoaka nefa izany fa vidiny nandritra n telo andro ihany hoy ny mpiantsehatra ifotony. Miezaka mitady vahaolana ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana satria mahatsiaro maty antoka ireo mpamokatra ankehitriny noho io vidiny io.

Nicole Rafalimannjara

Laisser un commentaire