Ireo fotoana tokony hisotroana rano
Mitana anjara asa lehibe eo amin’ny vatana ny rano ka mety hiteraka aretina na olana ara-pahasalamana ny tsy fahampian’izany. Manome hery, mampihetsika ny taova maro ao amin’ny vatana ary tsy manamaina ny vatana ny rano. Ilaina ny misotro rano isan’andro manodidina ny 2 litatra eoeo. Amin’ny fotoana toy ny ahoana àry no tena tsara isotroana rano ?
Tsy mety tokoa mantsy raha ny rano 2 litatra tokony hosotroina isan’andro dia atao indray migoaka fa mila zarazaraina ny fisotroana azy. Ny roa vera sotroina maraina vao mifoha mba hanairana ny taova rehetra sy ho fanadiovana izany. Ny roa vera manaraka sotroina ny tapak’andro maraina mba ho ampy ny rano ilain’ny vatana. Ny iray vera indray alohan’ny sakafo atoandro hanamorana ny fandevoan-kanina. Ny roa vera hafa indray tapak’andro hariva mba ho ampy hatrany ny rano. Tahaka izany ihany ny iray vera alohan’ny sakafo hariva. Mila misotro rano iray vera ihany koa alohan’ny misaika mba handaminana ny tosi-dra ary iray vera farany alohan’ny hatory mba hisoroahana ny mety hisian’ny olan’ny fo na ny retim-po mihitsy.
Mila sotroina araka izany ny rano satria tsy lafo ny rano ary tena mitondra ho any amin’ny tena fahasalamana tanteraka hoy ny mpitsabo iray.
Nicole Rafalimananjara
