France : Nanatsahatra ny fanampiana ho an’ny Centrafrique
Voatery nanajanona ny tosika ara-bola ho an’ny Centrafrique i France ary nanatsahatra ihany koa ny fiaraha-miasa ara-tafika amin’io firenena any Afrique io noho ny firaisana tsikombakomban’ny firenena manohitra an’i France izay baikon’i Russie. Efa in-betsaka ny tompon’andraiki-panjakana any Centrafrique no nanao hetsika ara-politika nanohitra ny Frantsay izay niharan’ny fampitàna vaovao tsy marina hatramin’izay tao Centrafrique mba hisian’ny fanohanana hatrany. Ny avy Russie no tompon’antoka ary ireo avy ao Centrafrique no niray tsikmbakomba ny amin’izany. Efa nantsoina ho any Paris aza ireo tafika miaramila miasa ao amin’ny Minisiteran’ny fiarovana any an-toerana. Natsahatra ihany koa ilay tosika ara-bola 10 tapitrisa Euros mandrapahatonga ny didy vaovao hoy ny Minisitera Frantsay momba ny raharaham-bahiny. Ary indrindra ireo tetik’asa Frantsay hanampiana ireo mponina any Centrafrique izay mahatratra 6 tapitrisa Euros hoy hatrany izany Minisitera izany.
