ActualitésTatitra

Belgique : Misokatra ny Horeca saingy tsy maintsy mampiasa ny fitaovam-pandrefesana ny CO2

Misokatra manomboka androany Alarobia 9 jona ny toeram-pisakafoanana sady fandraisam-bahiny ary fialàna hetaheta “Horeca” any Belgique sy manerana ny firenena hafa izay misy ny toerany toy ny any Suisse. Misokatra hatramin’ny 23h30 ny toerana “Horeca” saingy tsy maintsy manaraka ny baiko napetrakin’ny Minisitera ny 4 jona teo. Tsy maintsy mampiasa fitaovam-pandrefesana ny CO2 ao amin’ny sehatry ny Horeca rehetra mba hanadiovana ny rivotra mitsoka ao amin’ny trano ka anelanean’ny 900 ppm sy 1200 ppm izany. Tsy maintsy atao ho hitan’ny mpanjifa sy ny mpitsidika rehetra ny fisian’izany mba hahafahana manadio ny rivotra sy ahhazahoan’izy ireo antoka. Tsy ho an’ny Horeca irery anefa izany fa ho an’izay miasa tahaka azy ireo ihany koa. Lafo anefa ny vidin’izany fitaovana izany ka lasa toa sakana ho an’ny fisokafana ho an’ny toeram-pisakafoana hafa satria manodidina ny 100 hatramin’ny 500 euros (460 000 Ar ka hatramin’ny 2 300 000 Ar) ny vidiny. Manamafy izany i Loïc Villers mpitantana ny toerana fisakafoana iray any Montgomery fa mbola tsy hisokatra aloha izy ireo fa mbola hividy sy hametraka izany aloha arak any fahafahana ara-bola. Ny Horeca kosa no efa nisokatra androany satria efa manana ilay fitaovana.

Laisser un commentaire