Suède : Tsy handefa solontena any Chine hiatrika ny JO 2022
Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 20 febroary izao ao Chine ny « Jeux olympiques d’hiver 2022 ». Nanambara nefa ny minisitry ny fanatanjahantena, Anders Ygeman fa tsy handefa solontenan’ny firenena manoloana ny valan’aretina covid-19.Raha tsiahivina mantsy dia nahiboky ny fitondram-panjakana ao Chine ny tànanan’i Anyang, misy mponina 5 tapitrisa noho ny trangan’aretina. Tompon’andraikitra ambony avy amin’ny firenana maro samihafa ihany koa no nanapa-kevitra ny tsy hanatrika io lalao io. Ny filoha ao Russie, Vladimir Poutin sy ny lehiben’ny ONU Antonio Guterres ihany no namaly ny antsoin’i Xi Jinping.
