SocialTatitra

13 janvier : Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona mora tohina

Ny « psychanalyste » ao France Saverio Tomasella no namorona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona mora tohina na « Journée mondiale de l’hypersensibilité ». Ny taona 2019 izany no nanomboka nisy rehefa nahatsikaritra izy fa 10 tapitrisa amin’ny olona ao France no « hypersensible ». Ankalazaina androany ny andiany fahaefatra amin’izany.Entina hampahafantarana ny fahatsapan’olombelona fihetsem-po sy hamaritana ny olona atao hoe « hypersensible » io andro iraisam-pirenena io. Hanomezan-danja ny « sensibilité humaine » ihany koa, hanampiana ireo ankizy mety mizaka izany ary hanentanana ireo mpitantana sy mpitondra hanaja io « sensibilité humaine » io.Ankoatra ny fanahiana lava, ny fatahorana fifandonana na ady ary ny fitomaniana rehefa mijery sarimihetsika dia misy ihany koa ny fanontaniana novolavolain’ny « neuropsychiatre « Boris Cyrulnik hamaritana raha « hypersensible » ny olona iray.

Laisser un commentaire