SocialTatitra

Etats-Unis : Trano nianjera tany Floride, 24 no maty ary 121 no naratra

Niampy roa indray ny faty hita tao ambanin’ilay trano nianjera tany Floride raha 24 no maty ary 121 no tsy hita popoka hoy ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitra ny sabotsy 3 jolay lasa teo.

Natsahatra aloha ny fikarohana satria mitady hirodana indray ny trano sisa tavela nohon’ny rivo-doza Elsa. Miisa 24 no maty ary 121 no tsy hita popoka hatreto hoy ny Ben’ny tanànan’ny faritra Miami-Dade, Daniella Levine Cava. Miisa rihana 12 no rava tanteraka ny alin’ny 24 jona lasa teo raha nisy adiam-bovoka nahery tsy fahita hatramin’izay tany Etats-Unis.

Laisser un commentaire