SocialTatitra

Irak : Mitaky ny « famaranana ny tsimatimanota » ireo mpanao fihetsiketsehana an-jatony ao Baghdad

“Tsy ekena ny antoko politika! Tsy ekena ny milisy”. An-jatony ireo olona nanao fihetsiketsehina ny alahady teo mba nitaky ny « famaranana ny tsimatimanota » ao Irak izay efa nahafatesana mpanohitra sy tafika am-polony ny oktobra 2019.Nanofahofa sainan’Irak ary nilanja ny sarin’ireo “maritirora” novoinina ireo mpanao fihetsiketsehina. Tafiditra amin’izany ireo mpianatra maro be nandray anjara tamin’ny fikomiana tamin’ny taona 2019 izay namakivaky ny renivohitra teo ambany fanaraha mason’ny mpitandro ny filaminana. Tao aorian’izay dia nihaino ny tononkalon’i Safaa Saray, mafàna fo tamin’ny taona 2019 izay maty notifirina “grenade lacrymogène” teo amin’ny lohany tao Tahrir ivon’ny hetsi-panoherana ao Baghdad.Hatramin’ny nisian’ny fikomian dia maro ny voahosin-dra, 600 no maty, an’aliny maro no naratra. Maro ny mpitolona nandositra an’i Irak nifindra ao Kurdistan ao avaratry ny firenena, noho ny tahotry ny valifaty.

Laisser un commentaire