Inona marina ny antoko manohana an’i Andry Rajoelina ?
Manana ny anjara toerana maro eto amin’ny firenena ny antoko tarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. « Ny TGV na ny Tanora Gasy Vonona no fantako nandritra ny fitondran-Dravalomanana izay isan’ny tena mpitarika ny fanonganam-panjakana », hoy i Bary, mpianatra tantara eny amin’ny anjerimanontolo.
Raha nihaino ny hevitr’olona hafa indray anefa izahay dia toy izao ny nambarany : « Antoko MAPAR no antoko misy ny filoham-pirenena amin’izao satria Miaraka amin’ny Presidà Andry Rajoelina izay tena nalaza taorian’ny fitondrana tetezamita tamin’ny 2013 tany ho any ». Vao taona vitsivitsy ihany koa anefa izay no nahenoana ny hoe IRD na Isika Rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina indrindra tamin’ny fifidianana 2018 tany ho any.
Inona marina ny anaran’ny antokon’ny Andry Rajoelina ? Hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao. Ny antokon’i Ravalomanana izao dia ny TIM, ny antokon’i Didier Ratsiraka dia AREMA, ny antokon’i Hery Rajaonarimampianina kosa dia HVM.
IRD sa MAPAR sa TGV ? iza amin’ireo no tena izy ? Antoko iza no hiara-hiasa aminy hanatanteraka ny IEM ?
Nicole Rafalimananjara
