Ambohimanambola : Hisy ny lalao baolina kitra goavana « Grand tournoi Mafbe »
Hisy ny lalao baolina kitra goavana, « Grand tournoi Mafbe », izay atao ao amin’ny kianja Andohalo Ambohibato, kaominina Ambohimanambola, rahampitso Talata 1 novambra, ho an’ny sokajy « senior ». Ondry lehibe iray no amboara ho an’ny mpandresy mandritra ny lalao, araka ny voalaza, ary lela vola kosa no omena ny laharana faharoa amin’izany.
« Antsoina ireo mpitia lalao baolina kitra eto Ambohimanambola sy ny manodidina, izay vonona ny handray anjara amin’ny lalao. Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina ny fisoratana anarana ho amin’izany ary vola hatramin’ny 40 000ar no aloa. Tsy misy intsony kosa ny fandoavana « droit de match » amin’izany » hoy ny mpikarakara ny lalao.
« Ny lalao baolina kitra anisan’ny mampiavaka ny ety Ambohimanambola hatramin’izay. Tsy ho latsa-danja amin’ireo mpiseho ity ady ondry ity. Lalao goavana no hiseho amin’io fotoana io, izay hanesana ny mpankafy mpijery baolina ety amin’ny tanàna sy ny manodidina ho avy hanohana ny ekipa » hoy hatrany ny mpiakarakara.
Tsy ho latsa-danja amin’ireo lalao efa niseho tao Ambohimanambola araka izany ity lalao ity. Miandry ny fanohanana avy amin’ireo mpijery sy ny tomponandraikitra isan-karazany. Andro tsy fiasana ihany koa io ka azo atao tsara ny miala voly, mijery baolina miaraka amin’ny fianakaviana.
Manitra Ramanantsoa
