Sabotsy Namehana: Noraisin’ny ben’ny tanàna ireo mpikatroka tamin’ny tournoi de l’amitié sy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Taekwondo ITF
Noraisin’ny ben’ny tanàna, ao kaominina Sabotsy Namehana, tamin’ny alarobia lasa teo, tao amin’ny biraon’ny kaominina ireo mpikatroka nandray anjara tamin’ny tournoi de l’amitié sy ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Taekwondo ITF, izay notanterahina tamin’ny 17 Desambra teo.
“Manao ezaka hatrany ny eto anivon’ny kaominina amin’ny fanohanana sy ny fanampiana ireo mpikatroka ara-panatanjahantena eto an-toerana. Manana atleta misongadina maro ny kaominina ka rariny raha omena fankaherezana manoloana ny zava-bitan’izy ireo” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“Tsy tonga tamin’ny toerana tahaka izao moa ny klioba raha tsy nisy ny fanohanana avy amin’ireo sekoly sy klioba ary ekipa mpiangaly ny taranja Taekwon-do isan’isany. Ka dia hisaorana avokoa ireny rehetra ireny” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny klioba.
Marihina moa fa nandrombaka medaly volamena miisa 5 sy medaly volafotsy miisa 7 ary alim miisa 10 ny klioba tamin’izany fifaninanana izany, nisy ihany koa ny coupe 1TUL isaky ny ekipa.
Manitra Ramanantsoa
