ActualitésTatitra

France : Teratany iraniana iray no mamono tena nisarihana ny fireneny

« Nanapa-kevitra ny hamono tena aho ao amin’ny reninaron’i Rhône aho, entiko hanehoana izany fa isika mponin’Iran dia tena reraka manoloana ny zava-misy any amin’ny firenena » hoy i Mohammad Moradi tao amin’ny hioronantsary nataony talohan’ny namonoany tena. Raha mijery ity horonantsary ity ianareo dia efa maty aho izany hoy io lehilahy 38 taona io.

Niparitaka tao amin’ny tamba-jotra samihafa io horonantsary io ary olona maro tonga naneho fisaonana azy teo amin’ny tetezan’ny Gallieni taorian’izany. Nanazava kosa ny mpitondra tenin’ny mponin’i Iran ao Lyon, Timothée Amini fa tia ny fireneny i Mohammad Moradi saingy tsy nahazaka ny herisetra sy ny fitantanana any an-toerana. Namela manano-tena kosa i Mohammad Moradi.

Laisser un commentaire