Angola : Tanàna mandroso i Luanda
Renivohitr’i Angola i Luanda izay natsoina hoe São Paulo da Assunção de Loanda fahiny. Any avaratra andrefan’ny firenena, ao amin’ny morontsiraky ny ranomasimbe Atlantique no misy io tanàna io.
Naorina mpamavikavy ranomasina avy ao Portugal ny 25 janoary 1575 i Luanda. Manana morontsiraka miendrika seranan-tsambo voajanahary izy ka lasa renivohitra ara-pitantanan’ny mpanjaka portugaise tamin’ny taona 1627.
Hatramin’izao dia ivo-toerana ara-toekaren’i Angola i Luanda. Mifantoka bebe kokoa amin’ny asa ambaratonga ambony sy indostrialy izy ary nanomboka ny 2002 dia ahitana nitomba ny asa fanoreneny nohon’ny filaminam-bahoaka sy ny vola avy amin’ny solika nalaina avy amin’ny tahiry an-dranomasina tsy lavitra ny renivohitra.
Manondrana ny vokatra fototra ao amin’ny firenena toy ny « pétrole brut », « dérivés raffinés », akora vy, kafe sy hazan-dranomasina kosa ny seran-tsambo ao Luanda
