ActualitésTsidika

Masindray: Mpangalatra tratra, noraisim-potsiny tao ampanaovana asa ratsy

Lehilahy iray mpanao asa ratsy amin’ny fangalarana sy fanaovana halabotry no tratran’ny tompo-trano teo am-pangalarana, tao amin’ny fokontany Imerintsiadino, kaominina Masindray, omaly Alarobia atoandro. Araka ny voalaza, efa nandrasan’ireo tompon-trano fotsiny ny nitsofohan’ity mpangalatra tao amin’ny trano nokasainy hanaovana asa-ratsy ka dia izao noraisim-potsiny izao.

“Efa tsy kely lalana intsony ny mpanao ratsy amin’izao fotoana izao. Andro atoandro mihitsy no sahy miditra anaty tranon’olona hanaovana asa ratsy. Mila mailo ny mponina satria tsy vao izao no naharenesana trangana hala-botry tety amin’ny manodidina” hoy I Fanilo, mponina ao Imeritsiadino.

“Ankoatra ny tsy fisian’ny asa, izay lazaina fa sakana tsy ahitan’ny tanora asa, dia eo ihany koa ny hakamoana sy ny fitarihin’ny namana ka zary lasa mampirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana. Olona matanjaka, salama vatana mavita asa ara-dalana afaka mamelon-tena avokoa no ankamaroan’ireo mpanao asa ratsy amin’ny fangalarana sy ny famakiana trano” hoy I Aina, mpianatra momba ny fiaraha-monina.

Anisan’ny ilaina hamahana ny olan’ny tsy fahandriam-pahalemana ny fampandraisana andraikitra ny tanora, ankoatra ny famoronana asa eo amin’ny sehatra isan-karazany. Ilaina ihany koa ny fiaraha-mientana amin’ny fiaraha-monina sy ireo mpitandro filaminana mba hamongorana ireo mpanao ratsy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire