Orinasa Jirama: Mampahafantatra ny antony hanapahana ny jiro ao anatin’ny 4 andro be izao.
Vao nanambara fotsiny ny avy ao amin’ity orinasa ity fa ho tapaka ny jiro manomboka ny zoma izao ary tsy hiverina raha tsy ny talata faha 18 ny volana oktobra dia efa nampimenimenina ny olona izany. Tao anatin’ny fanazavana anefa dia voalaza fa hisy fifandimbiasana ny fahatapahana amin’ny teorana rehetra fa tsy hisy fahatapahana lavareny.
Mba hisian’ny mangarahara anefa dia nampahafanaterina ny vahoaka rehetra voakasik’izany fa asa miisa 4 no miaraka ao anatin’ilay fametrahana ny “groupe” faha-4 ao Andekaleka io. Ity groupe ity izay hampitombo ny vokatra herinaratra ho 33.2 MW.
“Ireto avy ny asa miandry mandritra ny fametrahana ity “groupe” ity, haharitra 22 ora ny fandritana ny rano rehetra entina mamokatra herinaratra, manaraka izany duia haharitra 40 ora kosa ny fametahana ny fanakanan-drano na ilay “vanne sphérique”, avy eo dia haverina fenoina rano indray ny toby famokarana herinaratra ka haharitra 16 ora izany raha hofaranana amin’ny fametahana ny fitaovana mpanova herinaratra na ny “transformateur de courant”, hoy ny Tale mpanatanteraka aoa amin’ny Orinasa Jirama.
“Manaiky izahay rehefa hoe ireo izany no asa miandry aoa antin’izay 4 andro be izay. Mahagaga ihany hoe mbola tsy misy fanamboarana anefa ny jironay efa tapaka foana isan’andro isan’andro. Rehefa tena hatao angamba izany io fanamboarana io dia ho tapaka mandritra ny 4 andro tokoa ny jiro ety aminay”, hoy i Fanomezana, mponina eny Soavimasoandro.
Ity Orinasa Jirama ity miantoka ny fitadiavam-bolan’ny Mlagasy an’arivony na mety ho aman’aliny mihitsy aza. Ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fiasan’izy ireo anefa dia miteraka fatiantoka ho an’ireo olona maron be ireo. Hinoana ihany koa anefa ny hivahan’ny olana amin’ny fametrahana izay groupe maromaro izay.
Miora Raharisolo
