Mandalo any Tolagnaro ny filoham-pirenena
Nisesisesy tato ho ato ny fanamboarana sy fitokanana fotodrafitr’asa tamin’ireo faritra maro eto Madagasikara. Kianja fanaovana baolina kitra 2 no indray notokanana tao anatin’ny herinandro monja teto andrenivohitra. Ankoatra izay, tsy vitsy koa ireo lalana efa andalam-panamboarana amin’izao fotoana. Miroso tanteraka any amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny tanjona araka ny nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Amin’izao fotoana, any amin’iny faritra atsimo ny filoham-pirenena ao anatin’ny fanatanterahana napetrany nandritra ny fampielezan-kevitra izay nataony. Natao izao hoy izy mba hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay tena mampitaraina ireo mponina any atsimo fa ihany koa mba ho fampandrosoana ny tanàna any an-toerana. Ao anatin’izany, nilaza ny filoha fa ho hatsaraina ny tontolon’ny fambolena sy famokarana any an-toerana manomboka izao. Ankoatra izay, tsy adino ny fananganana fotodrafitr’asa isan-karazany toy ny indostria ahafahana manodina akora fototra ho azo ampiasaina, eo ihany ny fanorenana sekoly sy hopitaly. Anisan’ny tena zava-dehibe nandritra izao fandalovan’ny filoha izao ihany koa, ny fanamboarana ny RN13 izay hanomboka amin’ity taona ity. Efa maro ireo fotodrafitr’asa nitsangana hatreto ary tsy azo odian-tsy hita izany. Miasa ny fitondram-panjakana, saingy firy isan-jato amin’ireny no mipaka mivantana any amin’ireo vahoaka madinika? Mbola tsy tafavoaka ao anatin’ny krizy ny firenena na dia azo lazaina ho naharesy amin’ny ampahany ny valan’aretina aza.
Ally Herisoananahary
