Ambatondrazaka : Tsy fantatra izay tena mibodo ny tany na ny tompon-toerana na ny orinasa SDPA izay manana taratasy ara-dalàna
Noesorin’ny orinasa « Société pour le Développement et la Promotion Agricole » na ny SDPA ny volin’ireo tantsaha tao amin’ny « domaine Mon Grenier » Mahatsinjo fokontany Andilanomby any Ambatondrazaka. Olona miisa fito (07) mamboly eo amin’ny tany misoratra ara-dalàna amin’ny orinasa SD. A ao Andilanomby no voakasiky ny didy « enlèvement de culture » nivoaka tamin’ny 09 aprily 2019.
« Niandry ny fitsaharan’ny hamehana ara-pahasalamana ny orinasa vao nampihatra ity didy ity, ka nanala ireo karazam-boly sy voankazo teo an-tsaha aloha satria efa azo lazaina ho milamina ny toe-draharaha ary mba ho fampiomanana ireo mponina ihany koa » hoy ny tompon’andraikitrin’ny orinasa. « Fahatairana ny anay nahita ny fiarabe nitrongy ny volinay teo ambanimason’ireo mpitandro filaminana kanefa tsy nahazo avliny raha nangatam-panazavana » hoy ireo mponina teny an-toerana. « Fampiharana ny lalàna izao ataonay izao fa tsy sanatria fanimbana ny volin’olona, efa nisy ny taratasy nifanarahana saingy ao ireo faly ny hanome tsiny fotsiny » hoy ny mpitantana eo amin’ny SDPA.
Etsy ankilany anefa manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ireo mponina mba handray andraikitra sy hanatanteraka ny fanadihadihana mikasika izao tranga izao. Marihina anefa fa efa voafindra ny tena tompon’ny tany tamin’ny orinasa ny tanyny 6 febroary 2009 lasa teo kanefa ao ireo minia tsy mety miala. Iza no diso ? Iza no tokony handray ny andraikitra ?
Nicole Rafalimananjara
